Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 18:17 - DIEM PROTESTANTA

i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretita sy Peletita mpiambina ny mpanjaka; ary ireo zanakalahin’i Davida kosa dia mpiara-miasa akaiky amin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary i Benaia, zanak’i Jehoiada, no mpifehy ny Keretita sy ny Peletita; ary ny zanak’i Davida no lehibe tamin’izay akaiky ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretita sy Peletita mpiambina ny mpanjaka; ary ireo zanakalahin’i Davida kosa dia mpiara-miasa akaiky amin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

i Banaiasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ireo zanak’i Davida no voalohan-daharana eo anilan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Benaia, zanak’i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak’i Davida no lehibe tamin’izay nanolotra ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary i Benaia, zanak’i Jehoiada, no mpifehy ny Keretita sy ny Peletita; ary ny zanak’i Davida no lehibe tamin’izay akaiky ny mpanjaka.

Jereo ny toko



1Tantara 18:17
14 Rohy Ifampitohizana  

Nilahatra teo anoloan’i Davida avokoa ny mpiambina azy, dia ny Keretita rehetra sy ny Peletita rehetra ary koa ny miaramila eninjato lahy izay nanaraka azy avy any Gata. Izy rehetra ireo no nilahatra teo anoloan’ny mpanjaka.


I Jôaba no filohan’ny tafika manontolo tamin’i Israely; i Benaià zanakalahin’i Joiadà no lehiben’ny Keretita sy Peletita mpiambina an’i Davida;


Nivoaka an’i Jerosalema nanaraka an’i Abisay koa ny olon’i Jôaba sy ny Keretita ary ny Peletita, izany hoe ny kalaza rehetra, ka nanenjika an’i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ.


i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà, no lehiben’ny mpiambina andriamanjaka; ary ireo zanakalahin’i Davida kosa dia mpanolotsaina.


Dia nidina nankany amin’i Salômôna i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany ary i Benaià zanakalahin’i Jôiadà, niaraka tamin’ny Keretita sy ny Peletita mpiambina andriana ka nampitaingina azy ny borikivavin’i Davida, ary nitondra azy nankany Gihôna.


Ary i Davida efa naniraka an’i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany ary i Benaià zanakalahin’i Jôiadà mbamin’ny Keretita sy ny Peletita mpiambina mba hiaraka amin’i Salômôna; ka ireo no nampitaingina azy ny borikivavin’ny mpanjaka.


i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Abimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Savesà no mpitantsoratra;


Taorian’izany, dia maty i Nahasy mpanjakan’ny Hamônita, ka ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Manolo-tena izy ireo hobaikoin’ny taranak’i Aharôna ny amin’ny fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO na momba ireo kianja aman’efitrano izany na momba ny fanadiovana ireo fitaovana masina rehetra. Ny raharaha mifandray amin’ny fanompoana ny tranon’Andriamanitra dia ireto:


I Petahià, zanakalahin’i Mesezabela sady anisan’ny terak’i Zera zanakalahin’i Joda, dia teo anilan’ny amperôra mba hiandraikitra ny raharaha rehetra momba ny vahoaka israelita.


Lozanareo avy any Kaftôra, izay mipetraka amoron-dranomasina! Izao no tenin’ny TOMPO mitsara anareo: «Ry Kanàhana tanin’ny Filistinina, haringako tsy hisy mponina intsony eo aminao.


Talohan’izao dia nanafika ny faritra atsimo amin’ny Keretita sy ny an’i Joda ary ny an’i Kalebita izahay. Ary nodoranay ny tanànan’i Tsiklaga.