Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 17:10 - DIEM PROTESTANTA

dia tamin’ny andro izay nanendreko ny mpitsara hifehy ny Israely vahoakako; ary haetriko ny fahavalonao. Ambarako aminao koa fa Izaho TOMPO no hanome taranaka ho anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

sy tahaka ny hatramin’ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Israely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa NY TOMPO hanao trano ho anao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia tamin’ny andro izay nanendreko ny mpitsara hifehy ny Israely vahoakako; ary haetriko ny fahavalonao. Ambarako aminao koa fa Izaho TOMPO no hanome taranaka ho anao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

dia toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara tamin’i Israely vahoakako. Naetriko avokoa ny fahavalonao rehetra, ary milaza aminao mialoha Aho, fa hananganan’i Iaveh trano ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

sy tahaka ny hatramin’ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

sy tahaka ny hatramin’ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Israely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa NY TOMPO hanao trano ho anao.

Jereo ny toko



1Tantara 17:10
16 Rohy Ifampitohizana  

dia tamin’ny andro nanendreko mpitsara hifehy ny Israely vahoakako; ary hampiadana anao ho afaka amin’ny fahavalonao rehetra Aho. Ambarako aminao koa fa Izaho TOMPO mihitsy no hanome taranaka ho anao.


Ary rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin’ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny anankiray amin’ireo zanakalahy naterakao ka haoriko mafy ny fanjakany.


Ary handraiketako toerana iray hampiorenako azy ny Israely vahoakako, ka dia honina tsy hanana ahiahy amin’izany izy. Fa tsy hisy firenen-dozabe hampahory azy intsony tahaka ny taloha,


Salamo nataon’i Davida. Ny TOMPO Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: «Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako. Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»


Hira fiakarana. Natao ho an’i Salômôna. Raha tsy ny TOMPO no manorina ny trano, dia miasa foana ny mpanorina azy. Raha tsy ny TOMPO no miambina ny tanàna, dia mitily foana ny mpiambina.


Tsy hahatratra azy ny fahavalo ary tsy hampahory azy ny mpikomy.


ka nomeny fara aman-dimby satria natahotra Azy.


Satria tsy maintsy manjaka i Kristy, ary hataon’Andriamanitra eo ambany tongotr’i Kristy avokoa ireo fahavalo rehetra.


Dia nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO ka nanolotra azy teo an-tanan’i Kosàna-Risehataîma, mpanjakan’i Mezôpôtamia; ary nandritra ny valo taona no nanompoany azy.


Nanana kalesy vy sivinjato i Jabîna ary nampahory fatratra ny Israelita nandritra ny roapolo taona; koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ireo.