Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
1Tantara 16:14 - DIEM PROTESTANTA Izy no TOMPO Andriamanitsika; manerana ny tany tontolo ny fanapahany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 NY TOMPO, Izy no Andriamanitsika; manerana ny tany rehetra ny fitsarany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izy no TOMPO Andriamanitsika; manerana ny tany tontolo ny fanapahany. Baiboly Katolika Izy, Iaveh no Andriamanitsika, mahazo ny tany rehetra ny fitsaràny. Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah, Izy no Andriamanitsika, Manerana ny tany rehetra ny fitsarany. Malagasy Bible Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany. La Bible en Malgache NY TOMPO, Izy no Andriamanitsika; manerana ny tany rehetra ny fitsarany. |
Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
Ry taranak’i Israely mpanompony sady terak’i Jakôba voafidiny, tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny zava-mahatalanjona vitany sy ny didim-pitsarana navoakany.
Tsarovy hatrany ny fanekempihavanany, dia ny fampanantenana izay napetrany ho an’ny taranaka arivo mifandimby:
Fantaro fa ny TOMPO no Andriamanitra; Izy no nanao antsika: ka Azy isika, vahoakany sady andian’ondry andrasany.
Satria Izy no Andriamanitsika, fa isika kosa vahoaka fiandriny, andian’ondry tarihiny. Koa enga anie ianareo anio mba hahahaino ny feony manao hoe:
Ny TOMPO no heriko ka hataoko an-kira, tonga namonjy ahy Izy, Izy no Andriamanitro, ka hoderaiko izy no Andriamanitry ny razako, ka hankalazaiko.
Maniry ny atrehinao aho amin’ny alina; eny, mitady Anao ny fanahiko ato anatiko. Rehefa ny didim-pitsaranao no ampiharinao amin’ny tany, dia hahay hitondratena mahitsy ny mponina eran’izao tontolo izao.