1Tantara 16:12 - DIEM PROTESTANTA Ry taranak’i Israely mpanompony sady terak’i Jakôba voafidiny, tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny zava-mahatalanjona vitany sy ny didim-pitsarana navoakany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsarovy ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagana nataony sy ny fitsaran’ny vavany, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry taranak’i Israely mpanompony sady terak’i Jakôba voafidiny, tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny zava-mahatalanjona vitany sy ny didim-pitsarana navoakany. Baiboly Katolika Tsarovy ny zava-mahatalanjona nataony, ny fahagagany sy ny fitsaràn’ny vavany, Baiboly Protestanta Malagasy Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, Dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany, Malagasy Bible Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany, La Bible en Malgache Tsarovy ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagana nataony sy ny fitsaran’ny vavany, |
Mahitsy ny fitsipiky ny TOMPO ka mahafaly ny fo. Mangarangarana ny baikon’ny TOMPO ka manazava ny fijery.
Dia hoy aho anakampoko hoe: «Ny mampahararirary ahy dia izao: Tsy manao asa mahery ho anay intsony ilay Andriamanitra Avo Indrindra.»
Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: «Inona no anton’izao?», dia hovalianareo hoe: «Tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay.
Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.
Endrey tsy hita pesimpesenina ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Endrey tsy takatry ny saina ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany! Ka hoy ny Soratra Masina hoe:
Dia reko nisy feo avy tao amin’ny alitara nanao hoe: «Eny, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, mahitsy sy ara-drariny ny fitsaranao!»
fa mahitsy sy ara-drariny ny fitsarana ataony, satria Izy efa nanameloka ilay vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangàny, ary efa namaly azy noho ny ran’ireo mpanompon’Andriamanitra efa nalatsany.»