1Tantara 16:10 - DIEM PROTESTANTA Ireharehao ny anarany masina; aoka hifaly ny fon’ireo mitady ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina! Aoka hifaly ny fon’izay mitady NY TOMPO! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireharehao ny anarany masina; aoka hifaly ny fon’ireo mitady ny TOMPO. Baiboly Katolika Ataovy rehareha ny Anarany masina, aoka ho faly ny fon’izay mitady an’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah. Malagasy Bible Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah. La Bible en Malgache Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina! Aoka hifaly ny fon’izay mitady NY TOMPO! |
Mihirà ho Azy ary mankalazà Azy amin-java-maneno; tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony.
Koa ankehitriny, aoka ny fo amam-panahinareo hifantoka hitady ny TOMPO Andriamanitrareo! Irosoy ny asa, aoreno ilay Toeramasin’ny TOMPO Andriamanitra; ary dia ao amin’ny tempoly haorina ho voninahitry ny TOMPO no hampidiranareo ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO sy hampidiranareo ny fanaka voatokana hanompoana an’Andriamanitra.
«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Nifalian’i Joda tsivakivolo io fianianana io, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany azy ary tamin’ny finiavany manontolo no nitadiavany ny TOMPO; ka dia nahita Azy tokoa ireo sady nomeny fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.
Hasaiko amin’ny sakafon-tsorona ny ory: hihinana anie izy ka ho voky! Hidera ny TOMPO anie ireo mitady Azy ka ho finaritra ho ela velona!
An-karihary no nitenenako fa tsy tao amin’ny toerana maizimaizina; tsy nampirisihiko ny taranak’i Jakôba hitady Ahy eo amin’ny toeram-poana. TOMPO Aho, ka ny marina no lazaiko ary ny mahitsy no ambarako!
Fa ny taranak’i Israely rehetra kosa dia Izaho TOMPO no hahazoany rariny sy hataony fireharehana.
Raha mikatsaka Ahy ianareo, dia hahita Ahy. Izaho TOMPO dia manao teny hentitra aminareo hoe: Raha tadiavinareo amin’ny fonareo manontolo Aho, dia hanaiky ho hitanareo. Hanova izay manjo anareo Aho, ka havoakako avy any amin’ny firenen-kafa ianareo. Hangoniko ianareo ka haveriko eto amin’ny toerana izay nandefasako anareo ho babo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›