1Tantara 14:12 - DIEM PROTESTANTA Dia nilaozan’ny Filistinina teo ireo andriamaniny ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nilaozan’ireny teo ireo andriamaniny ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nilaozan’ny Filistinina teo ireo andriamaniny ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo. Baiboly Katolika Nilaozan’irerỳ tao ny andriamaniny, ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nilaozan’ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo. Malagasy Bible Dia nilaozan'ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo. La Bible en Malgache Dia nilaozan’ireny teo ireo andriamaniny ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo. |
ary nodorany tamin’ny afo sy nosimbany aza ny andriamaniny satria tsy Andriamanitra ireny fa asan’ny tanan’olombelona, vato aman-kazo ihany.
Dia niakatra nankao Bahala-Peratsima i Davida ka namely ny Filistinina tao. Ary hoy i Davida hoe: –Ny tanako no namakian’Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky. Izany no nanaovana ny anaran’io toerana io hoe Bahala-Peratsima.
«Hamakivaky ao amin’ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO.
Nalain’i Mosesy koa ny sarivongana ombilahikely izay namboarin’ireo ka nodorany tamin’ny afo. Avy eo, notorotoroiny ho vovoka ny sisa tavela, dia naparitany tamin’ny rano izay nasainy nosotroin’ny Israelita.
Ny sarin-tsampy voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo; aza tsiriritinareo na alainareo ho anareo ny volafotsy na volamena izay eo amin’ireny sarin-tsampy ireny, fandrao ho fandrika hampanompo sampy anareo izany: eny, zava-mahatsiravina eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo ireny rehetra ireny.
Fa izao kosa no ataovy amin’ireny firenena ireny: ny alitarany, horavanareo; ny tsangambaton-tsampiny, hovakivakînareo; ny tsato-kazo fanajany an’i Aserà, hokapainareo; ary ny sarin-tsampiny voasokitra, hodoranareo.