Ary i Davida efa tao amin’ny fiereny, raha mby tao Betlehema ny andia-miaramilan’ny Filistinina.
1Tantara 12:16 - DIEM PROTESTANTA Izy ireo no niampita an’i Jôrdàna tamin’ny volana voalohany amin’ny taona, raha iny mbola nihoatra iny avokoa ny morony, ka nampandositra ny mponina rehetra teny amin’ny lohasaha atsinanana sy andrefana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy tamin’ny taranak’i Benjamina sy Joda nankany amin’i Davida tany amin’ny fialofana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izy ireo no niampita an’i Jôrdàna tamin’ny volana voalohany amin’ny taona, raha iny mbola nihoatra iny avokoa ny morony, ka nampandositra ny mponina rehetra teny amin’ny lohasaha atsinanana sy andrefana. Baiboly Katolika Nisy nanatona an’i Davida tany amin’ny toerana mimanda kosa ny taranak’i Benjamina sy i Jodà. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy tamin’ny taranak’i Benjamina sy Joda nankany amin’i Davida tany amin’ny fiarovana. Malagasy Bible Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana. La Bible en Malgache Nisy tamin’ny taranak’i Benjamina sy Joda nankany amin’i Davida tany amin’ny fialofana. |
Ary i Davida efa tao amin’ny fiereny, raha mby tao Betlehema ny andia-miaramilan’ny Filistinina.
Mpitari-tafika ireo avy amin’ny taranak’i Gada ireo ka ny kely indrindra aminy dia mahatoraka ny zato lahy, ary ny lehibe aminy mahatoraka ny arivo.
Nisy koa avy amin’ny fokon’i Benjamîna sy i Joda tonga hitady an’i Davida tao amin’ny toby fiarovana.
Misaora an’Andriamanitra, ry vahoakany tafangona; misaora Azy TOMPO, ry terak’i Israely.
Fotoan’ny fararano tamin’izay ka tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jôrdàna. Raha vao tonga teo ny mpisorona nitondra ny Vatamasina ka nandroboka tongotra tao anaty renirano,
Dia nentin’i Davida teo anatrehan’ny mpanjakan’i Môaba izy ireo ka nipetraka tao aminy nandritra ny fotoana rehetra nialokalofan’i Davida tao amin’ny fiereny.
–Henoy tsara, ry taranak’i Benjamîna! Moa ny zanakalahin’i Jisay ve hanome anareo rehetra saha sy tanim-boaloboka, ary hanendry anareo rehetra ho mpifehy ny antokon-tafiny? Tsia!