Izy ireo no niampita an’i Jôrdàna tamin’ny volana voalohany amin’ny taona, raha iny mbola nihoatra iny avokoa ny morony, ka nampandositra ny mponina rehetra teny amin’ny lohasaha atsinanana sy andrefana.
1Tantara 12:15 - DIEM PROTESTANTA Mpitari-tafika ireo avy amin’ny taranak’i Gada ireo ka ny kely indrindra aminy dia mahatoraka ny zato lahy, ary ny lehibe aminy mahatoraka ny arivo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo no nita an’i Jordana tamin’ny volana voalohany, fony nihoatra ny morony rehetra io; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mpitari-tafika ireo avy amin’ny taranak’i Gada ireo ka ny kely indrindra aminy dia mahatoraka ny zato lahy, ary ny lehibe aminy mahatoraka ny arivo. Baiboly Katolika Izy ireo no nita an’i Jordany, tamin’ny volana voalohany, fony izy nihoatra ny morony rehetra, ka nampandositra ny mponina rehetra teny amin’ny lohasaha na any atsinanana na any andrefana. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no nita an’i Jordana tamin’ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo. Malagasy Bible Ireo no nita an'i Jordana tamin'ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin'ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo. La Bible en Malgache Ireo no nita an’i Jordana tamin’ny volana voalohany, fony nihoatra ny morony rehetra io; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo. |
Izy ireo no niampita an’i Jôrdàna tamin’ny volana voalohany amin’ny taona, raha iny mbola nihoatra iny avokoa ny morony, ka nampandositra ny mponina rehetra teny amin’ny lohasaha atsinanana sy andrefana.
Raha ny mpihazakazaka an-tongotra aza tsy arakao, hoy ny Tompo, ahoana, ry Jeremià, no hifaninananao amin’ny mpitaingin-tsoavaly? Raha amin’ny tany milamina ihany no anananao toky ahoana kosa no hataonao rehefa ao anaty kirihitrala eny amoron’i Jôrdàna?
Hoy koa ny TOMPO: «Indro Aho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna ka mirifatra mankany amin’ny fonenany; ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ireo Edômita. Ary hapetrako hifehy ao Edôma ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»
Fotoan’ny fararano tamin’izay ka tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jôrdàna. Raha vao tonga teo ny mpisorona nitondra ny Vatamasina ka nandroboka tongotra tao anaty renirano,
Ary niakatra ireo mpisorona nitondra ny Vatamasina; ka raha vao nigadona teo an-tanety ny tongony, dia niverina tamin’ny laoniny indray ny ranon’i Jôrdàna ary nihoatra ny morony rehetra toy ny teo aloha.