Izao no endriky ny asa anterivozona nampanaovin’i Salômôna hanamboarana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka, ny tokotany Milao, ny mandan’i Jerosalema mbamin’ny tanànan’i Hatsôra sy i Megidao ary i Gezera.
1Tantara 11:8 - DIEM PROTESTANTA Dia narafitr’i Davida ny tanàna manodidina, manomboka hatreo Milao ka miafara amin’ny trano fonenany; fa i Jôaba kosa no nanamboatra ny sisa tamin’ny tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanorina ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; dia nanorina ny sisa tamin’ny tanàna indray i Joaba. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia narafitr’i Davida ny tanàna manodidina, manomboka hatreo Milao ka miafara amin’ny trano fonenany; fa i Jôaba kosa no nanamboatra ny sisa tamin’ny tanàna. Baiboly Katolika Nanorina ny tanàna tamin’ny manodidina hatrany i Melao sy ny eny akaiky eny izy, ary i Jôaba namboatra ny sisa tamin’ny tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo Malagasy Bible Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin'ny tanàna. La Bible en Malgache Ary nanorina ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; dia nanorina ny sisa tamin’ny tanàna indray i Joaba. |
Izao no endriky ny asa anterivozona nampanaovin’i Salômôna hanamboarana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka, ny tokotany Milao, ny mandan’i Jerosalema mbamin’ny tanànan’i Hatsôra sy i Megidao ary i Gezera.
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôasy ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
Ary nipetraka tao amin’ilay tanànamimanda i Davida, koa izany no niantsoana azy hoe «Tanànan’i Davida».
Dia nihanatanjaka hatrany i Davida, satria ny TOMPOn’izao rehetra izao no niaraka taminy.
Raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin’i Abimelèka ka handoro anareo mponin’i Sekema sy i Bety-Milao, ary aoka hisy afo mivoaka avy aminareo ka handoro an’i Abimelèka!
Dia nivory avokoa ny mponin’i Sekema sy ny olona rehetra tao Bety-Milao ka nankeo amin’ny terebinta tao Sekema, teo anilan’ny tsangambato, mba hanangana an’i Abimelèka ho mpanjakany.