Nilofo nanenjika an’i Saoly sy ireo zanany lahy ny Filistinina, ka nahafaty an’i Jônatàna sy i Abinadaba ary i Melkisa izay samy zanakalahin’i Saoly.
1Tantara 10:3 - DIEM PROTESTANTA Nanindry an’i Saoly ny fanafihana, ka sendra ny mpandefa tsipîka izy ary dia natahotra azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mafy tamin’i Saoly ny ady; nifanehatra tamin’ny mpandefa tsipìka izy ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanindry an’i Saoly ny fanafihana, ka sendra ny mpandefa tsipîka izy ary dia natahotra azy. Baiboly Katolika Dia i Saola indray no nezahin’ny ady mafy. Nony hitan’ny mpandefa tsipìka izy, dia natahotra mafy an’ireo mpandefa tsipìka izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary mafy ny ady tamin’i Saoly, dia nifanehatra tamin’ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka. Malagasy Bible Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka. La Bible en Malgache Mafy tamin’i Saoly ny ady; nifanehatra tamin’ny mpandefa tsipìka izy ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka. |
Nilofo nanenjika an’i Saoly sy ireo zanany lahy ny Filistinina, ka nahafaty an’i Jônatàna sy i Abinadaba ary i Melkisa izay samy zanakalahin’i Saoly.
Dia hoy i Saoly tamin’ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany: –Raiso ny sabatrao, ka trobaro aho, fandrao ho avy ireo mpanompo sampy ireo ka hanao ahy ho fihomehezana. Fa tsy nanaiky ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany satria natahotra mafy. Koa nalain’i Saoly ny sabatra, dia nianjerany.
Ka ny haingam-pandeha tsy hahita fierena, ny matanjaka tsy afaka hampiasa ny heriny, ary ny miaramila voafantina tsy hahavonjy ny tenany.