Ary ny zanakalahin’i Kosy dia i Sebà sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà. Ny zanakalahin’i Rahemà dia i Saba sy i Dedàna.
1Tantara 1:9 - DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahin’i Kosy dia i Seba sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà; ny zanakalahin’i Rehamà dia i Sebà sy i Dedàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Kosy dia i Seba, i Havila, i Sabta, i Ragama ary i Sabteka. Ny zanakalahin’i Ragama dia i Seba sy i Dedana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahin’i Kosy dia i Seba sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà; ny zanakalahin’i Rehamà dia i Sebà sy i Dedàna. Baiboly Katolika Zanak’i Kosa: i Sabà, i Hevilà, i Sabata, i Regmà ary i Sabatakà. Zanak’i Regmà: i Sabà sy i Dadàna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka. Ary ny zanakalahin’i Ragama dia Seba sy Dedana. Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragarna ary Sabteka. Ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Kosy dia i Seba, i Havila, i Sabta, i Ragama ary i Sabteka. Ny zanakalahin’i Ragama dia i Seba sy i Dedana. |
Ary ny zanakalahin’i Kosy dia i Sebà sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà. Ny zanakalahin’i Rahemà dia i Saba sy i Dedàna.
I Kosy koa no ray niteraka an’i Nimrôda izay nanjary lehilahy mahery mpanapaka voalohany teto ambonin’ny tany.
Hafatra milohateny hoe «Eo an-tany lavavolo». Any an-kirihitr’ala, eo an-tany lavavolo, no aoka handrianareo amin’ny alina, ry andian’olona avy any Dedàna!
Nifandray ara-barotra taminao koa ny olona avy ao Dedàna. Nitatra tamin’ireo nosy maro ny tsenam-barotrao, ka tandroka ivoara sy hazomainty no natakalony ny entanao.
Ny mpivarotra avy any Sebà sy Rahemà ihany koa dia nifandray ara-barotra taminao ka zava-manitra ambony karazana sy vatosoa ary volamena no natolony ho takalon’ny entanao.