Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zefania 3:18 - Baiboly Katolika

Hovoriko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina; satria isan’ny anao ireny, itambesaran’ny latsa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hangoniko izay manina ny andro firavoravoana, dia ireo izay lavitra anao ka itambesaran’ny latsa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

toy ny amin’ny andro fety.» Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana, hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

toy ny amin’ny andro fety.» Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana, hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran’ny latsa izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hangoniko izay manina ny andro firavoravoana, dia ireo izay lavitra anao ka itambesaran’ny latsa.

Jereo ny toko



Zefania 3:18
18 Rohy Ifampitohizana  

Iraho ny fahazavanao amam-pahamarinanao, dia hitarika ahy anie izany, ka hitondra ahy ho any amin’ny tabernakla aman-tendrombohitrao masina.


Tonga fandàtsan’ny mpifanakaiky aminay izahay, sady fihomehy amam-paneson’ny manodidina anay.


Ary Izaho dia hanangona izay sisa amin’ny ondriko, avy eny amin’ny tany rehetra nandroahako azy, dia haveriko ho eo amin’ny kijanany izy; ka hitombo sy hihamaro.


Misaona ny lalan’i Siôna, fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin’ny fetiny. Rava avokoa ny vavahadiny, mitaraina ny mpisorony, miferinaina ny virjininy ary tra-pahoriana mangidy izy.


Tsaroan’i Jerosalema amin’ny andron’ny fahoriany amam-pirenireneny ny zava-tsoa sarobidy rehetra izay nananany, hatry ny andro fahagola. Ankehitriny, rehefa lavon’ny tanan’ny mpampahory azy ny olony, sady tsy misy mamonjy azy, dia mahita azy ny fahavalony, ka mihomehy ny fifadiany asa.


Hoentiko mivoaka avy any amin’ny firenena izy, ary hangoniko avy any amin’ny tany samihafa, hampodiko eo amin’ny tena taniny izy, dia handrasako eny amin’ny tendrombohitr’i Israely, eny an-dohasaha aman-toerana rehetra onenana amin’ny tany.


Halaiko avy any amin’ny firenena ianareo, hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka hampodiko eo amin’ny taninareo.


ka hoy i Iaveh taminy hoe: «Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika Tao ny handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.»


Inona no hataonareo amin’ny fety lehibe, amin’ny andro fetin’i Iaveh?


Amin’izany andro izany, hampodiko ianareo; ary amin’ny andro hanangonako anareo, hataoko malaza sy be voninahitra ianareo, any amin’ny firenena rehetra eto an-tany, rehefa hatsahatro ny fahababoanareo, eo imasonareo, hoy i Iaveh.