Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 3:5 - Baiboly Katolika

Ary hoy aho: «Aoka hasiana hamama madio eo an-dohany.» Dia nasian’izy ireo hamama madio teo an-dohany, sady notafiany izy; ary nitsangana teo ilay Anjelin’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy aho: Aoka hasiana fehiloha madio eo an-dohany! Dia nasiany fehiloha madio teo an-dohany sady nampitafiany izy. Ary ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nandidy ireo olona indray ilay anjely hanisy hamama madio eo an-dohan’i Josoa. Dia nasiany hamama madio ny lohany sady nampiakanjoiny fitafiana madio teo anatrehan’ilay anjelin’ny TOMPO izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nandidy ireo olona indray ilay anjely hanisy hamama madio eo an-dohan’i Josoa. Dia nasiany hamama madio ny lohany sady nampiakanjoiny fitafiana madio teo anatrehan’ilay anjelin’ny TOMPO izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin’i Jehovah dia nitsangana teo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy aho: Aoka hasiana fehiloha madio eo an-dohany! Dia nasiany fehiloha madio teo an-dohany sady nampitafiany izy. Ary ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo.

Jereo ny toko



Zakaria 3:5
13 Rohy Ifampitohizana  

Notafiako toy ny lamba ny fahamarinana, kapaoty amam-pefilohako ny fanaovako ny rariny.


Ataovy eo an-dohany ny hamama, ary ataovy eo amin’ny hamama ilay diademam-pahamasinana.


ny fitaratra aman’akanjo moselinina, ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana.


Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.


Rehefa tafiditra ao ny mpisorona dia tsy hiala ao amin’ny fitoerana masina izy mba ho ao amin’ny kianja ivelany, raha tsy efa navelany ao ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana; fa masina izany fitafiana izany. Miova fitafiana aloha izy, vao manatona mankao amin’ny raharaha momba ny vahoaka.»


Ka izao no fanambaràna nolazain’ilay Anjelin’i Iaveh, tamin’i Jesosy:


- ka mandraisa volafotsy sy volamena, hanaovanao satroboninahitra, dia ataovy eo an-dohan’i Jesosy, mpisorona lehibe, zanak’i Josedeka.


ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:


Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray, ka Anti-dahy 24 koa no nipetraka tambonin’ireo; fitafiana fotsy no nentiny, ary satroboninahitra volamena no teny an-dohany.