Fahazavana no miposaka ao amin’ny haizina ho an’ny olo-mahitsy, ho an’izay mamindra fo sy miantra ary marina.
Zakaria 14:6 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany, dia hisy zavatra toy izao: ny mazava tsy hisy, fa ny hatsiaka sy ny ranomandry. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary amin’izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra dia tsy hiseho intsony. DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany dia tsy hilaina intsony ny fahazavan’ny masoandro; tsy hisy intsony koa na ny hatsiaka na ny fanala. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany dia tsy hilaina intsony ny fahazavan’ny masoandro; tsy hisy intsony koa na ny hatsiaka na ny fanala. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony; Malagasy Bible Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony; La Bible en Malgache Ary amin’izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra dia tsy hiseho intsony. |
Fahazavana no miposaka ao amin’ny haizina ho an’ny olo-mahitsy, ho an’izay mamindra fo sy miantra ary marina.
Fa ny kintan’ny lanitra, sy antokon-kintany, tsy handefa ny fahazavany hamirapiratra, ny masoandro hihamaizina eo amin’ny fiposahany, ary ny volana tsy handefa ny fahazavany.
Ary ny volana hihamena, ny masoandro hivaloarika, fa i Iavehn’ny tafika hanjaka ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema, ary ny voninahitra hamirapiratra eo anatrehan’ny loholony.
Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh, sy mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh, sy hiankina amin’ny Andriamaniny!
Mijery ny tany aho, ka inty izy tsy misy endrika sady foana; nijery ny lanitra aho, ka tsy nanam-pahazavana intsony izy.
Amin’ny hamonoako anao, hotakonako ny lanitra, ary hohamaiziniko ny kintana, ny masoandro hosaronako rahona; ny volana, tsy handefa intsony ny fahazavany.
Hotafiako fisaonana noho ny aminao ny kintana mamirapiratra rehetra eny an-danitra; ary ny taninao hosaronako haizim-be - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
Rehefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany isika, ka ho velona eo anatrehany. Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala an’i Iaveh isika. Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany; ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona toy ny fara orana manamando ny tany.
Andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy manjavona mainty! Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra, no iavian’ity firenena maro sady mahery, tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay, ary tsy hisy toy izany any aoriana any, hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.
Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana Aho, mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.
Hampiseho fahagagana eny amin’ny habakabaka ambony Aho, sy famantarana ety amin’ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon-tsetroka.
ary misaotra ny Ray Izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olo-masina any amin’ny mazava,
Ary mafy orina kokoa ho antsika amin’izany ny Soratra faminaniana, izay tsara raha dinihinareo, fa toy ny jiro manazava ao amin’ny toerana maizimaizina izany, mandra-pipoaky ny andro, sy iposahan’ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»
Ary ny Vavolombeloko roa, dia homeko hery haminany enimpolo amby roan-jato sy arivo andro; akanjo malailay no hiakanjoany.