Tamin’ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan’i Asiria any amin’ny Ony Eofrata, i Faraôna-Nekao mpanjakan’i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy i Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan’i Faraôna izy dia matiny tao Magedao.
Zakaria 12:11 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany, ao Jerosalema, hisy fisaonana lehibe toy ny fisaonana tao Adadremôna, amin’ny lohasahan’i Magedao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema, toy ny fisaonana ho an’i Hadada-Rimona, tao amin’ny lohasahan’i Megido. DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe ao Jerosalema, dia tahaka izay niseho tao Hadadrimôna teo amin’ny lohasahan’i Megidao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe ao Jerosalema, dia tahaka izay niseho tao Hadadrimôna teo amin’ny lohasahan’i Megidao. Baiboly Protestanta Malagasy Amin’izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin’ny lohasaha Megido. Malagasy Bible Amin'izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin'ny lohasaha Megido. La Bible en Malgache Amin’izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema, toy ny fisaonana ho an’i Hadada-Rimona, tao amin’ny lohasahan’i Megido. |
Tamin’ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan’i Asiria any amin’ny Ony Eofrata, i Faraôna-Nekao mpanjakan’i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy i Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan’i Faraôna izy dia matiny tao Magedao.
Tsy nety niodina niala taminy anefa i Josiasa, fa nanao fitafiana hafa izy hamely azy: tsy nohenoiny akory ny tenin’i Nekô, avy amin’ny vavan’Andriamanitra, fa nandroso izy hiady eo amin’ny lemak’i Magedao.
Dia nafindran’ny mpanompony avy teo amin’ny kalesy izy, ka napetrany teo amin’ny kalesy hafa izay kalesiny, ka nentiny tao Jerosalema. Maty izy, ka nalevina tao am-pasan-drazany. Nisaona an’i Josiasa avokoa i Jodà sy i Jerosalema.
Ho ao anatin’ny fisaonana ny tany, isam-pianakaviana manokana avy; ny fianakavian’ny taranak’i Davida manokana, ny vadin’ireo manokana; ny fianakavian’ny taranak’i Natàna manokana, ny vadin’ireo manokana;
Amin’izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran’ny Zanak’olona, ka handòn-tratra avokoa ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany; ary ho hitany eo ambonin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona avy, amin-kery sy voninahitra lehibe.
Indro Izy avy eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza; ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen.
Ary any amin’ny fitoerana atao amin’ny teny hebrio hoe: Armagedaona no namoriana azy ireo.