Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 11:4 - Baiboly Katolika

Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitro: «Aoka ianao ho mpiandry an’ireo ondry atao famono,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitro: Andraso ny ondry izay entina hovonoina!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitro tamiko: –Meteza ianao ho mpiandry ireo ondry hovonoina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitro tamiko: –Meteza ianao ho mpiandry ireo ondry hovonoina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitro: Andraso ny ondry izay entina hovonoina!

Jereo ny toko



Zakaria 11:4
14 Rohy Ifampitohizana  

tsy ho hitan’Andriamanitra va izany, nefa ny miafina ao am-po aza fantany?


Izy no ho fiadanana. Rehefa ho tonga eto amin’ny tanintsika ny Asirianina, ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony, dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy, sy mpifehy ny vahoaka valo,


Dia nilatsaka ho mpiandry ireo ondry natao famono aho, mbamin’ireo mahantra indrindra amin’ny andiany. Naka tehim-piandrasana roa aho, ka ny iray nataoko hoe i Fahasoavana; ary ny iray nataoko hoe i Kofehy; dia nandrasako ny ondry.


dia eo amin’ny lohasahan’ny tendrombohitro, no handosiranareo, fa hipaka hatrany Atsala ny lohasahan’ny tendrombohitro: toy ny nandosiranareo ny horohoron-tany, tamin’ny andron’i Osiasa, mpanjakan’i Jodà, no handosiranareo. Ary ho avy i Iaveh Andriamanitro, ary ny olo-masina rehetra hiaraka aminy.


Ary hoy ny navaliny azy: «Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.»


Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany, fa tsy nety ianao?


«Aza mikasika Ahy, hoy i Jesoa taminy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.»


Fa i Kristy, dia lazaiko marina, fa natao mpandraharaha ny voafora mba haneho ny fahamarinan’Andriamanitra, amin’ny fanatanterahana ny teny napetraka tamin’ny razan’izy ireo;


Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,