Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 11:16 - Baiboly Katolika

Fa indro Aho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hanan-draharaha amin’ny ondry maniasia, tsy hitady ny mihahaka, tsy hitsabo ny naratra, tsy hamahana ny salama, fa hihinana ny nofon’izay matavy, sy hamaky ny kitrony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hikarakara ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny maratra, na hiandry izay mbola matanjaka, fa hohaniny ny nofon’ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa indro Aho hampijoro mpiandry vaovao eto amin’ity tany ity, dia mpiandry izay tsy hanan-draharaha ny ondry misy mitady hamono na hikatsaka ny very na hitsabo ny marary na hikarakara ny mbola matanjaka; fa dia hihinana ny henan’izay matavy kosa izy sady hamaky ny kitrony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa indro Aho hampijoro mpiandry vaovao eto amin’ity tany ity, dia mpiandry izay tsy hanan-draharaha ny ondry misy mitady hamono na hikatsaka ny very na hitsabo ny marary na hikarakara ny mbola matanjaka; fa dia hihinana ny henan’izay matavy kosa izy sady hamaky ny kitrony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin'ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon'ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hikarakara ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny maratra, na hiandry izay mbola matanjaka, fa hohaniny ny nofon’ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.

Jereo ny toko



Zakaria 11:16
16 Rohy Ifampitohizana  

Roapolo taona izao no nitoerako tao aminao: ny ondry aman’osy vavinao tsy nisy namotsotra; ny ondry lahy ao amin’ny biby fiompinao tsy nohaniko.


Hoy ny navalin’i Jakôba: «Fantatry ny tompoko, fa ny ankizy mbola malemilemy; sady betsaka ny ondry aman’omby vavy mbola mitaiza entiko koa; raha korodonina indray andro monja ireo, dia ho levona ny biby fiompy rehetra.


Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.


Koa izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, ny amin’ireo mpiandry miandry ny vahoakako: Ny ondriko dia nahahakareo, naronjindronjinareo; tsy niahy azy ireo ianareo. Koa indro Aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo, ny haratsian’ny nataonareo, - teny marin’i Iaveh. -


Raha nanatrika ny fisainako izy, dia ny teniko ho nambarany tamin’ny vahoakako; ka ho namerina azy hiala amin’ny lalan-dratsiny izy, sy amin’ny faharatsian’ny ataony.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy any amin’ny mpiandry ondry Aho; hotadiaviko ao amin’ny tanany ny ondriko, ary tsy hisy ondry havelako handrasany intsony; ary ny mpiandry tsy hamahana ny tenany intsony; hotsoahiko eny am-bavany ny ondriko, ka tsy ho remby ho azony hanina intsony.


Ny very hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra hotsaboiko; ary ny marary, hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako; handrasako ara-drariny izy ireo.


satria ianareo nanosika tamin’ny tehezanareo aman-tsorokareo, sady nanoto ny ondry osa rehetra tamin’ny tandrokareo, mandra-pandronjinareo azy ho any ivelany:


«Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika any an-kafa, dia mpangalatra sy jiolahy;