Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 1:7 - Baiboly Katolika

Tamin’ny andro faha-24n’ny volana, izay volana Sabata, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa, tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, ny tenin’Andriamanitra, dia izao:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahiraika amby folo na ny volana Sebata izany, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, dia tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’NY TOMPO hoe:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro faha-24 tamin’ny volana faha-11 na volana Sebata, dia nisy hafatry ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany, zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidao; ka toy izao no fitantaràn’i Zakarià izany:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro faha-24 tamin’ny volana faha-11 na volana Sebata, dia nisy hafatry ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany, zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidao; ka toy izao no fitantaràn’i Zakarià izany:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

TAMIN’ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ny volana fahiraika ambin’ny folo (volana Sebata izany) tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa dia tonga, tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’i Jehovah nanao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo (volana Sebata izany) tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, ny tenin'i Jehovah nanao,hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahiraika amby folo na ny volana Sebata izany, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, dia tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’NY TOMPO hoe:

Jereo ny toko



Zakaria 1:7
4 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny volana fahavalo, taona faharoa nanjakan’i Dariosa, ny tenin’i Iaveh dia natao tamin’i Zakaria, mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, nanao hoe:


Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»


Fahitana no azoko tamin’ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavaly menapìny nijanona teo amin’ny hazo mirta, amin’ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly nemapìny sy mavomena ary fotsy teo aoriany.


mba hanody anareo avokoa ny ra marina nalatsaka teto ambonin’ny tany, hatramin’ny ran’i Abela lehilahy marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny Tempoly sy ny ôtely.