Hitako ny lalany ary hanasitrana azy Aho; hitari-dalana azy, ary hamerina aminy ny fampiononako, ho azy sy ho an’ireo malahelo eo aminy.
Zakaria 1:13 - Baiboly Katolika Ary i Iaveh nilaza teny soa, teny fampiononana tamin’ilay Anjely niresaka tamiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia novalian’NY TOMPO teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko. DIEM PROTESTANTA Ary teny mahafinaritra sy mampionona no nataon’ny TOMPO tamin’ilay anjely niresaka tamiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary teny mahafinaritra sy mampionona no nataon’ny TOMPO tamin’ilay anjely niresaka tamiko. Baiboly Protestanta Malagasy Dia novalian’i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko. Malagasy Bible Dia novalian'i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko. La Bible en Malgache Dia novalian’NY TOMPO teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko. |
Hitako ny lalany ary hanasitrana azy Aho; hitari-dalana azy, ary hamerina aminy ny fampiononako, ho azy sy ho an’ireo malahelo eo aminy.
Fa izao no lazain’i Iaveh: Rehefa tapitra ny fitopolo taona, ho an’i Babilôna, no hamangiako anareo sy hanatanterahako ny teniko tsara noho ny aminareo; ka hamerina anareo amin’ity fitoerana ity Aho.
Ka hoy aho: Inona ireo, tompoko? Dia hoy ilay Anjely niresaka tamiko: Hasehoko anao ny amin’ireo.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny fahadimy, ny fifadian-kanina amin’ny fahafito, ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo, dia hanjary andro fifaliana amam-piravoravoana sy ho fety lehibe, ho an’ny taranak’i Jodà.»