Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Avy aiza ianao?» Dia hoy ny navalin’i Satana: «Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny».
Zakaria 1:10 - Baiboly Katolika Ary ralehilahy izay teo amin’ny mirta, niteny nanao hoe: Ireo no nirahin’i Iaveh hitety ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Ralehilahy izay nijanona teny amin’ny rotra: Ireo dia nirahin’NY TOMPO hivezivezy eny amin’ny tany. DIEM PROTESTANTA Ary ilay lehilahy nijanona teo anivon’ny hazo mirta dia niteny hoe: «Nirahin’ny TOMPO ireo mba hitety ny tany.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ilay lehilahy nijanona teo anivon’ny hazo mirta dia niteny hoe: «Nirahin’ny TOMPO ireo mba hitety ny tany.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ralehilahy izay nijanona teny amin’ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin’i Jehovah hivoivoy eny amin’ny tany. Malagasy Bible Ary ralehilahy izay nijanona teny amin'ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin'Jehovah hivoivoy eny amin'ny tany. La Bible en Malgache Ary hoy Ralehilahy izay nijanona teny amin’ny rotra: Ireo dia nirahin’NY TOMPO hivezivezy eny amin’ny tany. |
Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Avy aiza ianao?» Dia hoy ny navalin’i Satana: «Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny».
Ka dia namaly ireo tamin’ny Anjelin’i Iaveh, izay teo amin’ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry feizay avokoa ny tany.
Fahitana no azoko tamin’ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavaly menapìny nijanona teo amin’ny hazo mirta, amin’ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly nemapìny sy mavomena ary fotsy teo aoriany.
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.
Fa iza no hanamavo ny andron’ny zava-madinika? Hifaly izy ireo mahita ny pilao eny an-tanan’i Zôrôbabela. Ireo lalampy fito ireo, dia ny mason’i Iaveh mitety ny tany rehetra.
Ary indro nisy vongam-pìraka boribory naingaina, ary nisy vehivavy anankiray nipetraka teo afovoan’ny efah.
Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova ny famonjena?