Tôbita 7:6 - Baiboly Katolika Niaraka tamin’izay dia nihazakazaka nankeny aminy i Ragoela ka nanoroka azy tamin-dranomaso, sy nitomany namihina ny vozony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay i Ragoela dia nitsamboatra ka nanoroka an’i Tobià sady nitomany, ary nilaza taminy hoe: –Hotahîn’Andriamanitra anie ianao, anaka! Manan-dray mahafatra-po tokoa ianao. Loza indrisy fa tonga jamba izany lehilahy marina sy mpanao fiantrana izany! Dia nofihinin’i Ragoela ny vozon’i Tôbià havany ary mbola nitomany indray izy. |