Raha efa izany, naka taratasy izy, dia nosoratany ny fanambadian’izy ireo.
Lasa tokoa i Ednà nanomana fandriana tao amin’ilay efitrano, araka izay nolazaina taminy; ary nentiny nankao ny zanany vavy. Nitomany i Ednà teo am-pieritreretana an’i Sarà, kanefa avy eo dia namaoka ranomaso izy sady niteny tamim-drazazavavy hoe: