Tôbita 6:18 - Baiboly Katolika Fa ianao kosa, rehefa manambady azy, dia midira ao an’efitrano, ary miaraha-mitoetra aminy amim-pahadiovana mandritra ny hateloana, ka aza mihevitra na inona na inona, afa-tsy ny fiaraha-mivavaka aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa tonga ny fotoana hiraisanao amin’i Sarà, dia mitsangàna aloha ianareo roa hivavaka sy hitalaho amin’ilay Tompon’ny lanitra mba hamindrany fo aminareo sy hiarovany anareo. Aoka izay ny tahotra! Ianao manko no nanokanana an’i Sarà hatrizay hatrizay ary ianao mihitsy no hanafaka azy. Handeha hiaraka aminao izy ary azoko antoka fa hanananao zaza izay holalainao fatratra. Koa aza manahy! |