Fa hoy indray i Rafaela tamin’i Tôbià: –Hadinonao ve fa ny rainao no nanafatrafatra anao mba haka vady eo amin’ny havanao? Koa henoy aho, ry sakaiza: aza manahy ny amin’izany demony izany, fa aoka ianao hanambady an’i Sarà! Fantatro fa izao anio hariva izao no hanomezana azy ho vadinao.