Fa mandehana amin’izao aloha mitady olona mahatoky hokaramaina hiaraka aminao, mba hahazoanao izany vola izany, dieny mbola velona aho».
Koa niainga i Tôbià hitady olona izay hiara-dia aminy hankany Media sady mahalala tsara ny lalana; vao tafavoaka ny trano izy, dia nahita ny anjely Rafaela nijoro teo anatrehany; saingy tsy fantany hoe anjelin’Andriamanitra io.