Notohizan’i Tobia izay, nataony hoe: «Ho tsara mandroso, tsara miverina anie ianareo! Ho any amin’ny lalanareo anie Andriamanitra, ary homba anareo anie ny Anjeliny.»
Dia hoy i Tôbita tamin’ny vadiny: –Aza manahy ianao. Ho tsara mandroso ho tsara miverina ny zanatsika! Ary ho hitanao maso ny andro hahatafaverina azy soa aman-tsara eto aminao.