Tôbita 3:17 - Baiboly Katolika Tsy mba nankany amin’izay lalao fijilajilana foana aho, na oviana na oviana, na mba nifanatona tamin’izay lehilahy hafahafa fitondran-tena foana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ny anjely Rafaela no voairaka hanasitrana an’i Tôbita sy i Sarà. Tokony hataony miala teo amin’ny mason’i Tôbita ny pentina fotsy mba hahitany indray ny fahazavàn’Andriamanitra; i Sarà zanakavavin’i Ragoela kosa tokony hataony afaka amin’i Hasmodeo ilay demony mandoza ary homeny ho vadin’i Tôbià zanakalahin’i Tôbita. Io Tôbià io manko no manan-jo hanana azy ho vady alohan’ny olon-kafa rehetra mpiandrandra azy. |