Nony nandre ny fibarareokan’ilay zanak’osy ny lahy, dia nanao hoe: «Jereo, fandrao zanak’osy nangalarina izany, ka avereno any amin’ny tompony, fa tsy mahazo mihinana na inona na inona avy amin’ny halatra isika, na dia mikasikasika izany akory aza.»