Nony tonga tany amin-drafozany i Rota, dia hoy i Nôemì: «Inona no nataonao, anaka?» Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy.
Rota 3:17 - Baiboly Katolika «Ary nomeny ity orja inenin’ny famarana ity koa aho, hoy izy, nataony hoe: Tsy hody any amin-drafozanao mitondra tanam-polo fotsiny ianao». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy koa izy: Ireto varimbazaha inenin’ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin’ny rafozambavinao. DIEM PROTESTANTA sady niteny koa izy hoe: –Nomeny ireto vary ôrza 15 kilao ireto aho, fa hoy izy tamiko: «Aza miverina mitondra tanam-polo mody fotsiny any amin’ny rafozambavinao!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara sady niteny koa izy hoe: –Nomeny ireto vary ôrza 15 kilao ireto aho, fa hoy izy tamiko: «Aza miverina mitondra tanam-polo mody fotsiny any amin’ny rafozambavinao!» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin’ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin’ny rafozanao-vavy. Malagasy Bible Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin'ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin'ny rafozanao-vavy. La Bible en Malgache Hoy koa izy: Ireto varimbazaha inenin’ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin’ny rafozambavinao. |
Nony tonga tany amin-drafozany i Rota, dia hoy i Nôemì: «Inona no nataonao, anaka?» Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy.
Ka hoy i Nôemì: «Mijanòna eto, anaka, mandra-pahitanao izay hiafaran’izany, fa tsy hianina io lehilahy io raha tsy efa vitany anio io raharaha io.»