Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 2:11 - Baiboly Katolika

Dia hoy ny navalin’i Booza azy: «Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an’ny rafozanao hatrizay nahafatesan’ny vadinao aho; sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin’ny tany nahaterahanao, ka nankanesanao atỳ amin’ny firenena tsy fantatrao akory taloha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia namaly i Boaza hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ny rafozambavinao hatrizay nahafatesan’ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ny tany nahaterahanao ary ny nankanesanao atỳ amin’ny firenena tsy mbola fantatrao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia namaly i Bôhaza ka nanao taminy hoe: –Efa notantaraina tsara tamiko avokoa izay nataonao tamin’ny rafozambavinao taorian’ny nahafatesan’ny vadinao; reko ny nandaozanao ny ray aman-dreninao sy ny tany nahabe anao ka nandehananao ho atỳ amin’ny firenena izay tsy mbola fantatrao akory taloha.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia namaly i Bôhaza ka nanao taminy hoe: –Efa notantaraina tsara tamiko avokoa izay nataonao tamin’ny rafozambavinao taorian’ny nahafatesan’ny vadinao; reko ny nandaozanao ny ray aman-dreninao sy ny tany nahabe anao ka nandehananao ho atỳ amin’ny firenena izay tsy mbola fantatrao akory taloha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan’ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ny tany nahaterahanao sy ny nankanesanao atỳ amin’ny firenena tsy mbola fantatrao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin'ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan'ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin'ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin'ny firenena tsy mbola fantatrao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia namaly i Boaza hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ny rafozambavinao hatrizay nahafatesan’ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ny tany nahaterahanao ary ny nankanesanao atỳ amin’ny firenena tsy mbola fantatrao.

Jereo ny toko



Rota 2:11
15 Rohy Ifampitohizana  

Nampandrenesina an’i Davida izany nataon-dResfà zanak’i Aià, vaditsindranon’i Saola izany,


Zanaka vavin’Andriamanitra no isan’ny malalanao; ny mpanjakavavy miravaka volamenan’i Ofira no eo ankavananao.


Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro.»


Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo, ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.


Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe: ‹Voavela ny helokao› sa ny hoe: ‹Mitsangàna ka mandehana?›


Fa hoy i Nôemì: «Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko?


Tamin’izay dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany, ka nanao taminy hoe: «Inona no mba nahitako fitia teo imasonao, ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?»


Hamaly ny nataonao anie i Iaveh ary ho valisoa feno anie no horaisinao avy amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa efa eo ambany elany no nalehanao hialofana.»


Dia hoy izy: «Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, anaka, fa mihoatra noho ny voalohany ny fitiavanao farany, satria tsy mba nitady izay hoe tanora ianao, na manan-karena izany, na mahantra.


Io no hamelona ny ainao sy ho tohan’ny fahanteranao, fa naterak’ilay vinantonao izay tia anao ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao.»