Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 1:9 - Baiboly Katolika

Samy hampahitan’i Iaveh fiadanana avy anie ianareo, any amin’ny tranon’izay ho vadinareo». Dia nanoroka azy ireo izy. Ary izy roa vavy kosa nanandratra ny feony, ka nitomany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Homen’NY TOMPO tokantrano anie ianareo ka hahita fiadanana amin’izay tranon’ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy i Naomy. Ary samy nanandratra ny feony izy roa vavy ka nitomany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Homen’ny TOMPO vady anie ianareo, ka hahita fiadanana ao an-tranon’ny vadinareo avy! Dia norohan’i Nahômỳ ireto vinantovaviny; fa nanandram-peo nitomany izy roa vavy

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Homen’ny TOMPO vady anie ianareo, ka hahita fiadanana ao an-tranon’ny vadinareo avy! Dia norohan’i Nahômỳ ireto vinantovaviny; fa nanandram-peo nitomany izy roa vavy

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Homen’i Jehovah tokan-trano anie hianareo ka hahita fiadanana amin’izay tranon’ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Homen'i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin'izay tranon'ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Homen’NY TOMPO tokantrano anie ianareo ka hahita fiadanana amin’izay tranon’ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy i Naomy. Ary samy nanandratra ny feony izy roa vavy ka nitomany.

Jereo ny toko



Rota 1:9
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanatona i Jakôba ka nanoroka azy; ary nandre ny hanitry ny fitafiany i Isaaka, ka nitso-drano azy, nanao hoe: «Eny, ny hanitry ny zanako, dia tahaka ny hanitry ny saha voatso-dranon’i Iaveh.


ary i Jakôba nanoroka an-dRasela, dia nanandratra ny feony ka nitomany.


Tsy mba navelanao akory aho hanoroka ny zanako lahy aman-janako vavy! Marina raha tsy nanao toy ny adala mihitsy ianao.


Ary nanoroka ireo rahalahiny rehetra koa izy, ka nitomany teo am-pamihinana azy. Izay vao niresaka taminy ireto rahalahiny.


Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon’i Paoly ary nanoroka azy,


Ary hoy izy taminy hoe: «Tsia, fa hiara-miverina aminao ho any amin’ny firenenao izahay.»


Ary hoy i Nôemì tamin’ireto vinantony roa vavy: «Andeha samy mody any an-tranon-dreninareo avy ianareo. Enga anie ka hanao soa anareo i Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.


Dia hoy i Nôemì rafozany taminy: «Te hitady toeram-pitsaharana hiadananao aho, anaka.