Nony afaka fito taona, tafaverina avy any amin’ny tanin’ny Filistinina ravehivavy ka nandeha hitaraina amin’ny mpanjaka, ny amin’ny tranony sy ny sahany.
Rota 1:7 - Baiboly Katolika Niala teo amin’ny tany nonenany izy sy ireto vinantony roa vavy, dia niainga hody any amin’ny tanin’i Jodà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niala tamin’izay nitoerany izy ary niaraka taminy ny vinantovaviny roa; nandeha hiverina any amin’ny tanin’ny Joda izy ireo. DIEM PROTESTANTA Ary niainga izy telo mianaka, dia nizotra ny lalana hiverina any amin’ny tanin’i Joda; ka teny an-dalana, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary niainga izy telo mianaka, dia nizotra ny lalana hiverina any amin’ny tanin’i Joda; ka teny an-dalana, Baiboly Protestanta Malagasy Dia niala tamin’izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dàlana izy hiverina any amin’ny tanin’ny Joda. Malagasy Bible Dia niala tamin'izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin'ny tanin'ny Joda. La Bible en Malgache Dia niala tamin’izay nitoerany izy ary niaraka taminy ny vinantovaviny roa; nandeha hiverina any amin’ny tanin’ny Joda izy ireo. |
Nony afaka fito taona, tafaverina avy any amin’ny tanin’ny Filistinina ravehivavy ka nandeha hitaraina amin’ny mpanjaka, ny amin’ny tranony sy ny sahany.
Ary hoy izy taminy hoe: «Tsia, fa hiara-miverina aminao ho any amin’ny firenenao izahay.»
Dia nanandratra ny feony izy ireo, ka nitomany indray. Ary i Orfà nanoroka ny rafozany, fa i Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy.
Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin’ny tanin’i Moaba, satria reny tany amin’ny tanin’i Moaba fa efa novangian’i Iaveh ny vahoakany ka nomeny hanina.
Ary hoy i Nôemì tamin’ireto vinantony roa vavy: «Andeha samy mody any an-tranon-dreninareo avy ianareo. Enga anie ka hanao soa anareo i Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.