Ary ianao kosa hanao anakampo hoe: «Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa tsy nanan-janaka aho, momba aho, noroahina sy nisaorana aho; ary ireto kosa, iza no nitaiza azy? Indro Aho nitoetra irery; ka taiza ireto?»
Rota 1:5 - Baiboly Katolika Fa maty daholo koa izy roa lahy dia i Mahalôna sy i Seljôna, ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary maty koa izy mirahalahy, dia i Malòna sy i Kiliona, ka tavela irery Ravehivavy, namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny. DIEM PROTESTANTA dia maty koa izy roa lahy, i Mahalôna sy i Kiliôna; koa ravehivavy irery no sisa nilaozan’ny vadiny sy ny zanany roa lahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia maty koa izy roa lahy, i Mahalôna sy i Kiliôna; koa ravehivavy irery no sisa nilaozan’ny vadiny sy ny zanany roa lahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy. Malagasy Bible Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy. La Bible en Malgache Ary maty koa izy mirahalahy, dia i Malòna sy i Kiliona, ka tavela irery Ravehivavy, namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny. |
Ary ianao kosa hanao anakampo hoe: «Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa tsy nanan-janaka aho, momba aho, noroahina sy nisaorana aho; ary ireto kosa, iza no nitaiza azy? Indro Aho nitoetra irery; ka taiza ireto?»
Ny haratsianao no mamely anao, ary ny fiodinanao no manafay anao. Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana, ny nahafoizanao an’i Iaveh Andriamanitrao, sy ny tsy nanananao tahotra Ahy kely akory, - teny marin’ny Tompo Iavehn’ny tafika. -
Rehefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak’olona lahy tokana sady mpitondratena indray ireniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.
Jereo amin’izao fa Izaho, dia Izaho ihany no izy, ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko; Izaho no mahafaty sy mahavelona; Izaho no naharàtra, ary Izaho koa no hahasitrana. Ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako.
Elimeleka no anaran-dralehilahy io, Nôemì no anaran’ny vadiny, ary Mahalôna sy Seljôna no anaran’ny zanany roa lahy. Efrateanina avy any Betlehema any Jodà izy ireo, ary nankany amin’ny tanin’i Moaba sy nonina tany.
Naka vady tamin’ny vehivavy Moabita izy ireo, ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota, dia nipetraka tao sahabo ho folo taona izy ireo.
Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin’ny tanin’i Moaba, satria reny tany amin’ny tanin’i Moaba fa efa novangian’i Iaveh ny vahoakany ka nomeny hanina.