Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 1:4 - Baiboly Katolika

Naka vady tamin’ny vehivavy Moabita izy ireo, ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota, dia nipetraka tao sahabo ho folo taona izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary naka vady tamin’ny vehivavy moabita izy roa lahy: Orpa no anaran’ny iray, ary Rota no anaran’ny iray. Nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Samy naka vady tamin’ny vehivavy môabita izy mirahalahy ka i Hôrpa no anaran’ny anankiray ary i Rota kosa no anaran’ny anankiray. Ary tokony ho folo taona nipetrahana tany Môaba ry zareo,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Samy naka vady tamin’ny vehivavy môabita izy mirahalahy ka i Hôrpa no anaran’ny anankiray ary i Rota kosa no anaran’ny anankiray. Ary tokony ho folo taona nipetrahana tany Môaba ry zareo,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary naka vady tamin’ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran’ny anankiray, ary Rota no anaran’ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary naka vady tamin'ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran'ny anankiray, ary Rota no anaran'ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary naka vady tamin’ny vehivavy moabita izy roa lahy: Orpa no anaran’ny iray, ary Rota no anaran’ny iray. Nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.

Jereo ny toko



Rota 1:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany andro izany koa aho, dia nahita Jody namponina teo aminy vehivavy Azôtianina, Amônita.


i Salmôna niteraka an’i Booza tamin’i Rahaba; i Booza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota; i Obeda niteraka an’i Jese; i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka.


Ny teraka amin’ny fanambadiana mahadiso, dia tsy hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh. Na dia ny taranany fahafolo aza tsy hiditra ny fiangonan’i Iaveh.


Aza maka vady amin’ireny; aza omena ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary aza alaina ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy;


Ary maty i Elimeleka vadin’i Nôemì, ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy.


Fa maty daholo koa izy roa lahy dia i Mahalôna sy i Seljôna, ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny.