dia natolony ireo ho eo an-tanan’ny Gabaônita, ka nahantony tany an-tendrombohitra teo anatrehan’i Iaveh. Niara-maty izy fito lahy tamin’ny andro voalohan’ny fijinjana, fiandohan’ny fijinjana ny orja.
Rota 1:22 - Baiboly Katolika Toy izany no nodian’i Nôemì, ary niaraka taminy i Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy amin’ny tanin’i Moaba. Tonga teo Betlehema izy ireo tamin’ny niandohan’ny fijinjana orja. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niverina i Naomy sy i Rota vinantovaviny, vehivavy moabita, ilay niaraka taminy tamin’izy niverina avy tany amin’ny tany Moaba. Tonga tao Betlehema izy tamin’ny niandohan’ny taom-pijinjana ny varimbazaha. DIEM PROTESTANTA Dia toy izany no niverenan’i Nahômỳ avy any amin’ny faritr’i Môaba; ary niaraka taminy koa i Rota, vehivavy môabita vinantony. Tonga tany Betlehema izy mianaka tamin’ny fiandohan’ny fijinjana vary ôrza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia toy izany no niverenan’i Nahômỳ avy any amin’ny faritr’i Môaba; ary niaraka taminy koa i Rota, vehivavy môabita vinantony. Tonga tany Betlehema izy mianaka tamin’ny fiandohan’ny fijinjana vary ôrza. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy, nomba azy tamin’izy niverina avy tany amin’ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin’ny niandohan’ny taom-pijinjana ny vary hordea. Malagasy Bible Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea. La Bible en Malgache Dia niverina i Naomy sy i Rota vinantovaviny, vehivavy moabita, ilay niaraka taminy tamin’izy niverina avy tany amin’ny tany Moaba. Tonga tao Betlehema izy tamin’ny niandohan’ny taom-pijinjana ny varimbazaha. |
dia natolony ireo ho eo an-tanan’ny Gabaônita, ka nahantony tany an-tendrombohitra teo anatrehan’i Iaveh. Niara-maty izy fito lahy tamin’ny andro voalohan’ny fijinjana, fiandohan’ny fijinjana ny orja.
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo, ka mijinja ny vokatrareo ianareo, dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo.
Hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh io amboara io, hahitanareo sitraka aminy; ary ny ampitson’ny sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy.
Ka dia niaraka tamin’ireo mpanompovavin’i Booza izy mandra-pahatapitry ny fijinjana ny orja sy ny frômanta. Ary tao amin’ny rafozany ihany izy no nitoetra.
«An’iza io zazavavy io?» Dia namaly ilay mpanompo nitandrina ny mpijinja nanao hoe: «Zazavavy Moabita niara-tonga tamin’i Nôemì io avy any amin’ny tanin’i Moaba.