Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo nony alina, mba hanazava eo anatrehany ny lalan-kalehany.
Nomery 9:21 - Baiboly Katolika Raha nipetraka hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ny rahona, ary niakatra nony maraina, dia niainga izy ireo, na raha afaka indray andro sy indray alina, vao niakatra ny rahona, dia niainga izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indraindray dia nijanona hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izany nony maraina dia niainga ny Zanak’Israely. Koa na andro na alina no niakaran’ny rahona dia niainga izy ireo. DIEM PROTESTANTA Indraindray kosa ny rahona dia tsy mijanona afa-tsy ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany; koa rehefa miakatra izy ny maraina, dia miainga ny Israelita. Ary na indray andro sy indray alina aza no ijanonan’ny rahona, rehefa miakatra izy dia miainga ny Israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indraindray kosa ny rahona dia tsy mijanona afa-tsy ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany; koa rehefa miakatra izy ny maraina, dia miainga ny Israelita. Ary na indray andro sy indray alina aza no ijanonan’ny rahona, rehefa miakatra izy dia miainga ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak’Isiraely; koa na andro na alina no niakaran’ny rahona, dia niainga izy. Malagasy Bible Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely; koa na andro na alina no niakaran'ny rahona, dia niainga izy. La Bible en Malgache Indraindray dia nijanona hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izany nony maraina dia niainga ny Zanak’Israely. Koa na andro na alina no niakaran’ny rahona dia niainga izy ireo. |
Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo nony alina, mba hanazava eo anatrehany ny lalan-kalehany.
noho ny haben’ny famindram-ponao, dia tsy nafoinao tany an’efitra izy, ka tsy niala teo akaikiny ny andry rahona fa nitari-dalana azy raha antoandro, na ny andry afo fa nanazava azy nony alina, amin’ny lalan-kalehany.
Toy izany koa raha andro vitsy foana no nipetrahan’ny rahona teo ambonin’ny Fonenana; didin’i Iaveh no nitobiany, didin’i Iaveh no niaingany.
Raha nipetraka teo ambonin’ny Fonenana andro maro, na volana iray na taona iray, ny rahona, dia naharitra nitoby teo ny zanak’i Israely, fa tsy niainga; fa nony vao niakatra izy dia niainga izy ireo.