Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 9:2 - Baiboly Katolika

«Aoka ny zanak’i Israely hanao ny Paka amin’ny fotoana voatendry.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aoka hotandreman’ny Zanak’Israely ny Paska amin’ny fotoanany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

–Aoka ny Israelita hankalaza ny fetin’ny Paska amin’ny andro voatondro;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Aoka ny Israelita hankalaza ny fetin’ny Paska amin’ny andro voatondro;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Aoka hotandreman’ny Zanak’Isiraely ny Paska amin’ny fotoany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Aoka hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska amin'ny fotoany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Aoka hotandreman’ny Zanak’Israely ny Paska amin’ny fotoanany.

Jereo ny toko



Nomery 9:2
12 Rohy Ifampitohizana  

Izao no didy nomen’ny mpanjaka ny vahoaka rehetra: «Mankalazà ny Paka, ho fanajana an’i Iaveh Andriamanitrareo, araka ny voasoratra amin’ity bokin’ny fanekena ity.»


Nankalaza ny Paka tao Jerosalema i Josiasa ho fankalazana an’i Iaveh, ka namonona ny Paka ny olona tamin’ny andro faha-14n’ny volana voalohany.


Tamin’ny andro faha-14n’ny volana voalohany, dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana.


«Amin’ny volana voalohany, andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana amin’ilay àty takariva iny, dia Pakan’i Iaveh.


«Amin’ny volana voalohany, andro faha-14n’ny volana, dia Pakan’i Iaveh.


Amin’ny fotoana voatendry, amin’ny andro faha 14n’ity volana ity, amin’ny àty takariva no hanaovanareo azy: io no fotoana voatendry; ataonareo izany araka ny lalàna amam-pitsipika rehetra momba azy.»


Ary tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: «Aiza no tianao halehanay hamboaranay ny hihinananao ny Paka?»


Dia tonga ny andron’ny Azima izay tsy maintsy hamonoana ny zanak’ondrin’ny Paka,


Nitoby tao Galgalà ny zanak’i Israely, dia nanao ny Paka, tamin’ny andro faha-14n’ny volana, rehefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak’i Jerikô.