Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy, sy ny Levita araka ny fizarany avy, hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Môizy.
Nomery 8:9 - Baiboly Katolika Hasainao mandroso eo anoloan’ny trano lay fihaonana ny Levita, ary hovorìnao ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ento ny levita hankeo anoloan’ny tranolay fihaonana; dia vorio ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo. DIEM PROTESTANTA Vorio ny fiangonan’ny Israelita rehetra, dia hasainao mankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny Levita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vorio ny fiangonan’ny Israelita rehetra, dia hasainao mankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny Levita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ento ny Levita hankeo anoloan’ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra. Malagasy Bible Ary ento ny Levita hankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra. La Bible en Malgache Ento ny levita hankeo anoloan’ny tranolay fihaonana*; dia vorio ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo. |
Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy, sy ny Levita araka ny fizarany avy, hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Môizy.
Hasainao handroso ho eo akaikin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana i Aarôna sy ireo zanany, ka hanadio azy amin’ny rano ianao.