Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 8:21 - Baiboly Katolika

Nandio tena sy nanasa ny fitafiany ny Levita, ary i Aarôna nanolotra azy ho fanatitra ahevaheva teo anatrehan’i Iaveh sy nanao ny fanonerana ho azy ireo, mba hanadio azy;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanadio ny tenany ny levita sady nosasany ny fitafiany; ary i Arona dia nanao azy ireo ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO sady nanao fanavotana hanadiovana azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nandio ny tenany ary nanasa ny fitafiany ny Levita ka naterin’i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva atolotra ny TOMPO izy ireo sady nanaovany ny fombam-pivavahana famelan-keloka mba hanadiovany azy ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandio ny tenany ary nanasa ny fitafiany ny Levita ka naterin’i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva atolotra ny TOMPO izy ireo sady nanaovany ny fombam-pivavahana famelan-keloka mba hanadiovany azy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nodiovin’ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanadio ny tenany ny levita sady nosasany ny fitafiany; ary i Arona dia nanao azy ireo ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO sady nanao fanavotana hanadiovana azy.

Jereo ny toko



Nomery 8:21
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio sy ampitso, ary asaovy sasàny ny fitafiany.


Izay mpisorona manao ny fanadiovana hanolotra an’izay olona midio, mbamin’ireo zavatra rehetra ireo eo anatrehan’i Iaveh, anoloan’ny trano lay fihaonana.


Hanadio tena amin’izany rano izany izy, amin’ny andro fahatelo sy fahafito, dia hadio, fa raha tsy manadio tena amin’ny andro fahatelo sy fahafito izy, dia tsy hadio.


Ny olona madio no hamafy amin’izay maloto, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, ka hanala ny otany amin’ny andro fahafito. Dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ilay maloto, ka hadio rehefa hariva.


«Indro efa nalaiko ho Ahy eo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita, ho solon’ny lahy matoa izay voalohan-teraky ny reniny ao amin’ny taranak’i Israely, ka dia Ahy ny Levita;


ary raha efa izany, dia hiditra hanao fanompoana amin’ny trano lay fihaonana ny Levita. Toy izany no hanadiovanao azy sy hanoloranao azy ho fanatitra ahevaheva.


Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tamin’ny Levita, izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy momba ny Levita; izany no nataon’ny zanak’i Israely tamin’izy ireo.


raha efa izany dia niditra ny Levita nanao ny fanompoany tao amin’ny trano lay fihaonana teo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany. Araka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny amin’ny Levita, dia araka izany no natao tamin’izy ireo.


Fafazo rano fanonerana izy: aoka izy hanaratra ny tenany rehetra sy hanasa ny fitafiany, dia hidio izy.