Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 8:19 - Baiboly Katolika

dia natolotro mba ho an’i Aarôna sy ny zanany mihitsy ny Levita eo amin’ny zanak’i Israely mba hanao ny fanompoan’ny zanak’i Israely ao amin’ny trano lay fihaonana, mba hanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely, mba tsy ho voan’ny loza na inona na inona ny zanak’i Israely, rehefa hanakaiky ny fitoerana masina.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nomeko ho an’i Arona sy ireo zanany mihitsy ny levita, avy amin’ny Zanak’Israely, mba hanatanteraka ny fanompoan’ny Zanak’Israely ao amin’ny tranolay fihaonana sady hanao fanavotana ho an’ny Zanak’Israely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo ny Zanak’Israely raha manakaiky ny fitoerana masina izy ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary natolotro an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita hisolo ny Israelita mba hanao ny fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka azy ireo; dia tsy hisy loza hanjo ny Israelita intsony raha manakaiky ny Toeramasina izy ireo.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary natolotro an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita hisolo ny Israelita mba hanao ny fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka azy ireo; dia tsy hisy loza hanjo ny Israelita intsony raha manakaiky ny Toeramasina izy ireo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nomeko ho an’i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin’ny Zanak’Isiraely, hanao ny fanompoan’ny Zanak’Isiraely ao amin’ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an’ny Zanak’Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masina izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nomeko ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masina izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nomeko ho an’i Arona sy ireo zanany mihitsy ny levita, avy amin’ny Zanak’Israely, mba hanatanteraka ny fanompoan’ny Zanak’Israely ao amin’ny tranolay fihaonana sady hanao fanavotana ho an’ny Zanak’Israely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo ny Zanak’Israely raha manakaiky ny fitoerana masina izy ireo.

Jereo ny toko



Nomery 8:19
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia nataon’ny zanak’i Israely rehetra izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony.


Fa apetraho aminy kosa ny fikarakarana ny Fonenan’ny vavolombelona mbamin’ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy. Izy ireo no hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy; izy no hanao ny fanompoana ao aminy; ary izy no hitoby manodidina ny Fonenana.


Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonenan’ny vavolombelona, mba tsy hipoahan’ny hatezerako ny fiangonan’ny zanak’i Israely, ary ny Levita no hiambina ny Fonenan’ny vavolombelona.»


Ary ny Levita no nalaiko ho solon’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra;


Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tamin’ny Levita, izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy momba ny Levita; izany no nataon’ny zanak’i Israely tamin’izy ireo.


Nokapohin’i Iaveh ny olona tao Bety-Samesy, fa nijerijery foana ny Fiaran’i Iaveh, ka olona fitopolo sy dimy alina no novonoiny tamin’ny vahoaka. Dia nisaona fatratra ny vahoaka noho ny namelezan’i Iaveh ny vahoaka tamin’ny loza mafy.