Dia hapetrakao eo amin’ny felatanan’i Aarôna sy amin’ny felatanan’ny zanany avokoa ireo zavatra ireo, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.
Nomery 8:15 - Baiboly Katolika ary raha efa izany, dia hiditra hanao fanompoana amin’ny trano lay fihaonana ny Levita. Toy izany no hanadiovanao azy sy hanoloranao azy ho fanatitra ahevaheva. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa vita izany dia hiditra hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana ny levita. Toy izany no hanadiovanao azy ka hataonao fanatitra asandratra izy. DIEM PROTESTANTA Rehefa afaka izany, dia hiroso ny asa fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana ny Levita. «Hodiovina sy hataonao ho toy ny fanatitra ahevaheva voatolotra ho Ahy àry ny Levita, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa afaka izany, dia hiroso ny asa fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana ny Levita. «Hodiovina sy hataonao ho toy ny fanatitra ahevaheva voatolotra ho Ahy àry ny Levita, Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin’ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva; Malagasy Bible Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva; La Bible en Malgache Rehefa vita izany dia hiditra hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana ny levita. Toy izany no hanadiovanao azy ka hataonao fanatitra asandratra izy. |
Dia hapetrakao eo amin’ny felatanan’i Aarôna sy amin’ny felatanan’ny zanany avokoa ireo zavatra ireo, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.
«Indro efa nalaiko ho Ahy eo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita, ho solon’ny lahy matoa izay voalohan-teraky ny reniny ao amin’ny taranak’i Israely, ka dia Ahy ny Levita;
I Aarôna hanolotra ny Levita ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh, avy amin’ny zanak’i Israely, mba ho voatokana hanao ny fanompoan’i Iaveh izy ireo.
Dia asaovy mijoro eo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany ny Levita, ka atolory ho fanatitra ahevaheva ho an’i Iaveh.
Fa efa nomena Ahy mihitsy izy eo afovoan’ny zanak’i Israely; nalaiko ho Ahy, ho solon’ny lahy rehetra voalohan-teraky ny reniny izy,