Indro efa nalaiko teo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita rahalahinareo. Efa natolotra an’i Iaveh izy ka atolotra aminareo ho fanomezana, mba hanao ny raharahan’ny trano lay fihaonana.
Nomery 8:13 - Baiboly Katolika Dia asaovy mijoro eo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany ny Levita, ka atolory ho fanatitra ahevaheva ho an’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ampijoroy eo anatrehan’i Arona sy ireo zanany ny levita ka ataovy fanatitra asandratra ho an’NY TOMPO izy ireo. DIEM PROTESTANTA Ajoroy eo anatrehan’i Aharôna sy ny zanany ny Levita, ka ataovy toy ny fanatitra ahevaheva atolotra AHY. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ajoroy eo anatrehan’i Aharôna sy ny zanany ny Levita, ka ataovy toy ny fanatitra ahevaheva atolotra AHY. Baiboly Protestanta Malagasy Ary apetraho eo anatrehan’i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an’i Jehovah izy. Malagasy Bible Ary apetraho eo anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an'i Jehovah izy. La Bible en Malgache Ary ampijoroy eo anatrehan’i Arona sy ireo zanany ny levita ka ataovy fanatitra asandratra ho an’NY TOMPO izy ireo. |
Indro efa nalaiko teo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita rahalahinareo. Efa natolotra an’i Iaveh izy ka atolotra aminareo ho fanomezana, mba hanao ny raharahan’ny trano lay fihaonana.
I Aarôna hanolotra ny Levita ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh, avy amin’ny zanak’i Israely, mba ho voatokana hanao ny fanompoan’i Iaveh izy ireo.
Ny Levita hametra-tanana amin’ny lohan’ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an’i Iaveh, mba hanaovana ny fanonerana ho an’ny Levita.
Nandio tena sy nanasa ny fitafiany ny Levita, ary i Aarôna nanolotra azy ho fanatitra ahevaheva teo anatrehan’i Iaveh sy nanao ny fanonerana ho azy ireo, mba hanadio azy;
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny Jentily aho, amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahiny ny Jentily, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.