Natolotry ny filohany ny fanatitra hitokanana ny ôtely tamin’ny andro nanosorana azy. Natolotry ny filohany eo anoloan’ny ôtely ny fanatiny.
Nomery 7:11 - Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Aoka hisy iray isan’andro ny filohany no tonga manolotra ny fanatiny, amin’ny fitokanana ny ôtely.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ireo lohan’ny foko hanolotra ny fanatiny, samy araka ny androny avy, ho amin’ny fitokanana ny alitara. DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Aoka hifandimby hitondra ny fanomezany isan’andro avy ireo filoha ireo amin’ny fanokanana ny alitara! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Aoka hifandimby hitondra ny fanomezany isan’andro avy ireo filoha ireo amin’ny fanokanana ny alitara! Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Aoka ny lohan’ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin’ny an-androny avy ho amin’ny fitokanana ny alitara. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aoka ny lohan'ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin'ny an'androny avy ho amin'ny fitokanana ny alitara. La Bible en Malgache Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ireo lohan’ny foko hanolotra ny fanatiny, samy araka ny androny avy, ho amin’ny fitokanana ny alitara. |
Natolotry ny filohany ny fanatitra hitokanana ny ôtely tamin’ny andro nanosorana azy. Natolotry ny filohany eo anoloan’ny ôtely ny fanatiny.
Ka tamin’ny andro voalohany, dia i Nahasôna, zanak’i Aminadaba, avy amin’ny fokon’i Jodà no nanolotra ny fanatiny.
satria Andriamanitra tsy mba Andriamanitry ny tabataba, fa Andriamanitry ny fiadanana.
fa na dia tsy atỳ aminareo amin’ny vatana aza aho, dia atỳ aminareo amin’ny fanahy ihany, ka faly mijery izato filaminanareo sy hamafin’ny finoanareo an’i Kristy.