ary amin’ny andro hidirany ao amin’ny fitoerana masina ao amin’ny kianja anatiny mba hanao ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia hanatitra ny sorony noho ny ota izy; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Nomery 6:9 - Baiboly Katolika Raha misy olona maty tampoka eo anilany, ka voaloto ny lohany voahasina dia hoharatany ny lohany amin’ny fandiovany azy; amin’ny andro fahafito no hanaratany azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay voatokana, dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fanadiovana azy izy; amin’ny andro fahafito no hanaratany azy. DIEM PROTESTANTA Raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mahaloto ny fanokanan-tenany, dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fidiovany izy, izany hoe afaka herinandro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mahaloto ny fanokanan-tenany, dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fidiovany izy, izany hoe afaka herinandro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fanadiovana azy izy, dia amin’ny andro fahafito no hanaratany azy; Malagasy Bible Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin'ny andro fanadiovana azy izy, dia amin'ny andro fahafito no hanaratany azy; La Bible en Malgache Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay voatokana, dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fanadiovana azy izy; amin’ny andro fahafito no hanaratany azy. |
ary amin’ny andro hidirany ao amin’ny fitoerana masina ao amin’ny kianja anatiny mba hanao ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia hanatitra ny sorony noho ny ota izy; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin’ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan’ny lainy hafitoana.
Amin’ny andro fahafito hoharatany avokoa ny volon-kodiny rehetra, ny volon-dohany, ny volombavany, ny manja-masony, hoharatany ny volon-kodiny rehetra; ary hosasany ny fitafiany, hampandroiny amin’ny rano ny tenany, dia hadio izy.
Ilay nazareàna kosa hanaratra ny lohany voatokana, eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; dia halainy ny volon-dohany voatokana ka hataony ao amin’ny afo eo ambanin’ny fanati-pihavanana.
Mbola nitoetra tao Kôrinto andro maromaro ihany i Paoly, vao nanao veloma ny havana iray finoana, ka niondrana nankany Siria, niaraka tamin’i Prisila sy i Akilasy, ary nohetezany tao Senkrea ny volon-dohany, fa nisy voady nataony.
Nony efa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an’i Paoly tao an-Tempoly ny Jody avy tany Azia, ka sady nampikorontana ny vahoaka rehetra no nisambotra azy tamim-piantsoana hoe:
dia ento miditra ao anatin’ny tranonao izy. Amin’izay ny lohany haratany, ny hohony halany,