Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 6:21 - Baiboly Katolika

«Izany no lalàna ny amin’ny nazareàna izay nivoady, izany no fanatiny ho an’i Iaveh amin’ny maha nazareàna azy, afa-tsy izay azony atao araka ny ananany. Araka ny voady nataony no hanatanterahany ny lalàna ny amin’ny maha nazareàna azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izany no lalàna ny amin’ny Nazirita izay mivoady hitondra fanatitra ho an’NY TOMPO noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin’ny fitokanany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Izany no lalàna ny amin’ny Nazirita izay nivoady; izany no fanomezana atolony ho an’ny TOMPO noho ny naha nazirita azy, ankoatra izay mety ho takatry ny fananany. Hanaraka ny voady notononiny izy amin’izany, ka hanao araka ny lalàna momba ny fanokanan-tena nirosoany.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Izany no lalàna ny amin’ny Nazirita izay nivoady; izany no fanomezana atolony ho an’ny TOMPO noho ny naha nazirita azy, ankoatra izay mety ho takatry ny fananany. Hanaraka ny voady notononiny izy amin’izany, ka hanao araka ny lalàna momba ny fanokanan-tena nirosoany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izany no lalàna ny amin’ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an’i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin’ny fitokanany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izany no lalàna ny amin'ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an'i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin'ny fitokanany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izany no lalàna ny amin’ny Nazirita izay mivoady hitondra fanatitra ho an’NY TOMPO noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin’ny fitokanany.

Jereo ny toko



Nomery 6:21
7 Rohy Ifampitohizana  

Ny nomeny hatao amin’ny rakitra momba izany asa izany, samy araka ny toe-pananany avy, dia darìka volamena 61.000, mina 5.000, ary akanjom-pisoronana zato.


«Izany no lalàna momba ny fiahiahiana, raha misy vehivavy eo am-pelatanan’ny lahy, nivily nanao fahalotoana;


«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mitokana noho ny voady, dia voady ho nazareàna izany, mba hanokan-tena ho voninahitra ho an’i Iaveh,


dia hahevahevan’ny mpisorona eo anatrehan’i Iaveh ireo. Zava-masina anjaran’ny mpisorona izany, fanampin’ny tratra ahevaheva, sy ny fe avahana koa. Aorian’izany, dia mahazo misotro divay ny nazareàna.


Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:


Aoka izay ampianarina ny teny finoana hanome anjara izay mampianatra azy amin’ny fananany rehetra.


Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.