Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 6:16 - Baiboly Katolika

Hatolotry ny mpisorona ho an’i Iaveh ireo; hatolony koa ny sorony noho ny ota sy ny sorony dorana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia haterin’ny mpisorona eo anatrehan’NY TOMPO ireo; hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatiny dorana manontolo;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hoentin’ny mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO ireo fanatitra ireo, vao hatolony ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hoentin’ny mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO ireo fanatitra ireo, vao hatolony ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia haterin’ny mpisorona eo anatrehan’i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia haterin'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia haterin’ny mpisorona eo anatrehan’NY TOMPO ireo; hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatiny dorana manontolo;

Jereo ny toko



Nomery 6:16
3 Rohy Ifampitohizana  

ary koa mofo tsy misy lalivay iray harona, mofomamy natao tamin’ny lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voaidina diloilo, mbamin’ny fanatitra sy ny fanatitra araraka.


Dia hatolony ny ondralahy ho fanati-pihavanana amin’i Iaveh, mbamin’ny mofo tsy misy lalivay iray harona, ary hataon’ny mpisorona ny fanatitra amam-panatitra araraka momba azy.


Ny Levita hametra-tanana amin’ny lohan’ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an’i Iaveh, mba hanaovana ny fanonerana ho an’ny Levita.