Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 6:11 - Baiboly Katolika

Ary ny mpisorona hanolotra ny anankiray ho sorona noho ny ota, ny iray kosa sorona dorana, dia hanao ny fanonerana ho azy, noho ny otany ny amin’ny faty. Hanokana ny lohany ilay nazareàna amin’izany andro izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny mpisorona dia hanolotra ny iray ho fanatitra fanadiovana ary ny iray kosa dia ho fanatitra dorana manontolo, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota noho ny amin’ny faty izy; ary hanamasina ny lohany izy amin’izany andro izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Haterin’ny mpisorona ho sorona fanalana ny ota ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho sorona dorana manontolo. Dia hataony amin’ilay olona ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny ota vokatr’ilay faty; amin’io andro io izy dia ho masina indray ka hamela ny lohany hitsiry volo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Haterin’ny mpisorona ho sorona fanalana ny ota ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho sorona dorana manontolo. Dia hataony amin’ilay olona ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny ota vokatr’ilay faty; amin’io andro io izy dia ho masina indray ka hamela ny lohany hitsiry volo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin’ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin’izany andro izany izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin'ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin'izany andro izany izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny mpisorona dia hanolotra ny iray ho fanatitra fanadiovana ary ny iray kosa dia ho fanatitra dorana manontolo, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota noho ny amin’ny faty izy; ary hanamasina ny lohany izy amin’izany andro izany.

Jereo ny toko



Nomery 6:11
4 Rohy Ifampitohizana  

Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondry vavy na osy vavy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hateriny ho an’i Iaveh ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.


Hanokana ho an’i Iaveh ny andro haha-nazareàna azy, ary hanatitra zanak’ondry anankiray, efa iray taona, izy, ho fanati-panonerana; ary ny andro teo aloha dia ho very noho ny fitokanany efa voaloto.