Nomery 5:6 - Baiboly Katolika «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy diso amin’i Iaveh manao fahotana isan’ireo mahafaty antoka ny namana, fa tsy manaraka an’i Iaveh, ka dia meloka izy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan’ny olona ka manao izay mahadiso eo anatrehan’NY TOMPO ary meloka DIEM PROTESTANTA mba hamepetra ny Israelita hoe: –Raha misy lehilahy na vehivavy diso amin’ny TOMPO satria nanao izay mampalahelo olona, dia meloka tokoa tokoa izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara mba hamepetra ny Israelita hoe: –Raha misy lehilahy na vehivavy diso amin’ny TOMPO satria nanao izay mampalahelo olona, dia meloka tokoa tokoa izy. Baiboly Protestanta Malagasy Lazao amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan’ny olona ka manao izay mahadiso amin’i Jehovah ary meloka, Malagasy Bible Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan'ny olona ka manao izay mahadiso amin'i Jehovah ary meloka, La Bible en Malgache Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan’ny olona ka manao izay mahadiso eo anatrehan’NY TOMPO ary meloka |
Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondry vavy na osy vavy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hateriny ho an’i Iaveh ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.
Nony tonga tany amin’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase any amin’ny tany Galaada izy ireo dia niteny taminy nanao hoe:
Dia hoy i Jôsoe tamin’i Akàna: «Akàna, mihanta aminao aho, omeo voninahitra i Iaveh Andriamanitr’i Israely sy omeo haja Izy. Lazao amiko izay nataonao, fa aza afenina ahy izany.»