hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao; ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
Nomery 5:31 - Baiboly Katolika ka ralehilahy tsy hanan-tsiny, fa ny vavy no hitondra ny fahotany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia tsy hanan-tsiny Ralehilahy, fa Ravehivavy kosa dia ho meloka. DIEM PROTESTANTA Tsy hanan-tsiny amin’izay ny lahy; fa ny vavy kosa raha meloka, dia handray ny vokatr’izany.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy hanan-tsiny amin’izay ny lahy; fa ny vavy kosa raha meloka, dia handray ny vokatr’izany.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia tsy hanantsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka. Malagasy Bible Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka. La Bible en Malgache Dia tsy hanan-tsiny Ralehilahy, fa Ravehivavy kosa dia ho meloka. |
hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao; ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin’ny ray, na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota dia izy no ho faty.
Raha misy lehilahy maka vadin’olona, ka mandry amin’ny vadin’ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin’izany, na ralehilahy naka vadin’olona na ravehivavy nalainy.
na misy lehilahy azon’ny fiahiahiana, ka miahiahy ny vadiny, dia hasainy mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vadiny, ary hampiharin’ny mpisorona aminy izany lalàna rehetra izany;
Raha olona madio sady tsy misy dia nalehany, no tsy mankalaza ny Paka, dia hoesorina amin’ny fireneny izy; noho izy tsy nanolotra ny fanatitra ho an’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry dia hilonjy ny fahotany izy.