Dia hapetrakao eo amin’ny felatanan’i Aarôna sy amin’ny felatanan’ny zanany avokoa ireo zavatra ireo, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.
Nomery 5:25 - Baiboly Katolika «Dia halain’ny mpisorona ny fanati-piahiahiana teny an-tanan-dravehivavy ka hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh sy hoentiny eo akaikin’ny ôtely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia halain’ny mpisorona eo an-tanan-dRavehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hasandrany eo anatrehan’NY TOMPO izany ka hatolony eo amin’ny alitara. DIEM PROTESTANTA Alohan’ny hanomezana rano an-dravehivavy, dia halain’ny mpisorona eo an-tanan-dravehivavy ny fanati-pahasaropiaro, dia hahevahevany eo anatrehan’ny Tompo ary hoentiny eo amin’ny alitara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Alohan’ny hanomezana rano an-dravehivavy, dia halain’ny mpisorona eo an-tanan-dravehivavy ny fanati-pahasaropiaro, dia hahevahevany eo anatrehan’ny Tompo ary hoentiny eo amin’ny alitara. Baiboly Protestanta Malagasy Dia halain’ny mpisorona eo antànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan’i Jehovah izany ka hateriny eo amin’ny alitara. Malagasy Bible Dia halain'ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan'i Jehovah izany ka hateriny eo amin'ny alitara. La Bible en Malgache Dia halain’ny mpisorona eo an-tanan-dRavehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hasandrany eo anatrehan’NY TOMPO izany ka hatolony eo amin’ny alitara. |
Dia hapetrakao eo amin’ny felatanan’i Aarôna sy amin’ny felatanan’ny zanany avokoa ireo zavatra ireo, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.
nataony teo an-tanan’i Aarôna sy ny zanany ireo zavatra ireo, dia nahevahevany ho fanatitra teo anatrehan’i Iaveh.
dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny, ka hitondra fanatitra noho ny amin’ny vavy izy, dia lafarina orja ampahafolon’ny efah, tsy hanidinana diloilo izany na hasiana emboka manitra, satria fanati-piahiahiana, fanati-pahatsiarovana, mampahatsiaro heloka io.
Hasain’ny mpisorona mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vehivavy, harakarakany ny volon-dohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, fanati-piahiahiana izany. Ary ho eo an-tanan’izy mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona.
dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano mangidy mitondra ozona ary hiditra ao anatiny ka ho mangidy aminy ny rano mitondra ozona.
Ary handraofany eran-tanana ila hatao fanati-pahatsiarovana izany fanatitra izany, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely; raha efa izany dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano.